AHOANA NY FAMPITAM-BAOVAO?
Mandritra ny fanomanana ny hetsika hatao amin'ity taona ity dia tsara ny mitsidika matetika an'ity "Sompitra ity" hahazoana vaovao.
Posté le: 28 mai 2008
TE HO ANISAN'NY MPAMPIOFANA VE IANAO ?
Ny mpikambana izay te handray anjara amin'ny fampiofanana hataon'ny fikambanana dia tsy maintsy manaraka ny fiofanana isan-karazany atolotra ary manolotra votoatim-piofanana mifanaraka amin'ny taranja voafehiny.Izay manana ny diplôme "maîtrise" ihany anefa no afaka manao fampiofanana, araka ny "thème" tapaka eo anivon'ny fikambanana.
Ireo mbola tsy manana izany mari-pahaizana izany kosa dia afaka manaraka ny fiofanana rehetra hatrany rehefa miteny mialoha any amin'ny tomponandraikitra.
Posté le: 28 mai 2008
AFAKA MANATEVINA NY SOMPITRA (blog) NY MPIKAMBANA
Ny fandefasana ny sary (tsy voatery ho sarin'olona) na lahatsoratra tiana hivoaka amin'ity "Sompitra" ity dia alefa amin'ny adiresin'ny FIVE COM ihany:
five_com@yahoo.fr na five_com@hotmail.com
Posté le: 28 mai 2008
Page : < précédente| 1 2 3 4 5 | suivante >


